𝕋𝕖π•₯π•šπ•œπ•’π•€π•’ π•—π•’π•Ÿπ•’π•₯π•€π•’π•£π•’π•Ÿπ•’ π•Ÿπ•ͺ π•—π•’π•žπ•’π•₯π•€π•šπ•’π•Ÿ-π••π•£π•’π•Ÿπ•  𝕒𝕠 π•„π•’π•Ÿπ••π•£π• π•€π•–π•«π•’

π”Έπ•Ÿπ•₯π•’π•Ÿπ•’π•Ÿπ•’π•£π•šπ•§π•  : 𝕋𝕖π•₯π•šπ•œπ•’π•€π•’ π•—π•’π•Ÿπ•’π•₯π•€π•’π•£π•’π•Ÿπ•’ π•Ÿπ•ͺ π•—π•’π•žπ•’π•₯π•€π•šπ•’π•Ÿ-π••π•£π•’π•Ÿπ•  𝕒𝕠 π•„π•’π•Ÿπ••π•£π• π•€π•–π•«π•’
πŸ”Ή Nampiantso ireo teknisiana sy mpandrindra ny tetikasa mahakasika ny fanatsarana ny famatsian-drano ao Mandroseza ny Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ary nidina teny an-toerana mba hahafantarana ny fizotran’ny asa.
πŸ”Ή Tetikasa roa lehibe no eo an-dalam-panatanterahana ao Mandroseza amin’izao fotoana izao, izay tafiditra ao anatin’ny drafi-panatsarana fohy sy antonon’ezaka hamahana ny olana mahakasika ny famatsian-drano eto Antananarivo.
πŸ”Ή Ny voalohany dia ny fananganana tobim-pamokaran-drano na ny Β« UnitΓ© compacte de traitement Β», izay afaka mamokatra rano hatramin’ny
22 000 mΒ³ isan’andro.
➑️ Efa vita ny 48% amin’ny asa fanamboarana ary vinavinaina ho vita sy ho afaka hiasa alohan’ny volana jiona 2026 ny fotodrafitrasa.
πŸ”Ή Ny faharoa kosa dia ny fananganana toby fanosehan-drano vaovao izay hanosika rano hatramin’ny 120 000 mΒ³ isan’andro. Io toby fanosehan-drano io dia hanamafy ny toby efa tranainy ao Mandroseza, iray amin’ireo antony lehibe mahatonga fahatapahan-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo. ➑️ 33% ny asa no efa vita, ary antenaina ho vita tanteraka alohan’ny farany volana jiona 2026.
πŸ”Ή Ireo fanamboarana fotodrafitrasa ireo dia ao anatin’ny tetikasan’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, izay ahazoana fanampiana ara-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PAAEP, mikendry ny hanatsara maharitra ny famatsian-drano eto Antananarivo.
Β 

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”