π”½π•’π•Ÿπ••π•£π•’π•šπ•€π•’π•Ÿπ•’ 𝕒𝕣𝕒-π•₯π•–π•œπ•Ÿπ•šπ•œπ•’ 𝔽𝕠π•₯π• π••π•£π•’π•—π•šπ•₯𝕣𝕒𝕀𝕒 β„π•’π•Ÿπ•  π”½π•šπ•€π• π•₯𝕣𝕠 π•„π•’π••π•šπ• 

𝕍𝔸𝕆𝕍𝔸𝕆𝕄-ℙ𝔸ℝ𝕀𝕋ℝ𝔸 𝕄𝔼ℕ𝔸𝔹𝔼: π”½π•’π•Ÿπ••π•£π•’π•šπ•€π•’π•Ÿπ•’ 𝕒𝕣𝕒-π•₯π•–π•œπ•Ÿπ•šπ•œπ•’ 𝔽𝕠π•₯π• π••π•£π•’π•—π•šπ•₯𝕣𝕒𝕀𝕒 β„π•’π•Ÿπ•  π”½π•šπ•€π• π•₯𝕣𝕠 π•„π•’π••π•šπ• 
πŸ”Ή Amin’izao vanim-potoana ny hain-tany izao dia tsy mitsahatra hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana mikaroka vahaolana amin’ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny vahoaka.
πŸ”ΉNoho izany indrindra dia notolorana fotodrafidrasa rano fisotro madio ny tao amin’ny Fokontany Antsaribao sy Tsinjorano Kaominina Analaiva ny 3 desambra 2025 ary ny tao amin’ny Fokontany Beroboka sud, Kaominina Marofandilia kosa ny 5 desambra 2025 samy ao amin’ny Distrikan’i Morondava Faritra Menabe.
πŸ”ΉNy Fokontany Antsaribao sy Tsinjorano Kaominina Analaiva dia notolorana fotodrafitrasa rano fisotro madio ahitana:
– Lavadrano manosika rano amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro
– Sinibendrano mahazaka hatrany amin’ny 15m3
– Paompin-drano miisa 18
– Fitaritandrano ho an’olon-tsotra miisa 30
– Fitaritan-drano ho ana biraom-panjakana
πŸ”ΉMponina maherin’ny 2800 no hisitraka ireo fotodrafitrasa ireo.
πŸ”ΉNy Fokontany Beroboka sud, Kaominina Marofandilia kosa dia notolorana fotodrafitra rano fisotro madio ahitana:
– Lavadrano mahatratra 70m ny halaliny manosika rano amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro
– Sinibendrano mahazaka hatrany amin’ny 20m3
– Paompin-drano miisa 28
– Fitaritan-drano ho an’olon-tsotra miisa 15
– Fitaritan-drano ho an’ny biraom-panjakana
– Trano fikirakirana ara-teknika
πŸ”ΉMponina eo amin’ny 2909 kosa no vinavinaina hisitraka izany fotodrafitrasa Rano Fisotro Madio izany.
πŸ”ΉIzao tetikasa izao no tanteraka dia fiaraha-miasan’ny Fitaleavam-paritra ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao Menabe sy ny HELVETAS Madagascar izay mpamatsy ara-bola ny tetikasa.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”