π”½π•’π•Ÿπ••π•’π•π• π•§π•’π•Ÿβ€™π•Ÿπ•ͺ π•£π•šπ•§π• π••π• π•«π•’ 𝔽𝕐𝕋𝕀𝔸, π•Ÿπ•’π•Ÿπ• π•™π•’π•Ÿπ•’ π•žπ•’π•Ÿπ• π•™π•’π•Ÿπ•’ π•šπ•£π•–π•  π•₯π•£π•’π•“π• π•šπ•Ÿπ•’ π•Ÿπ•ͺ 𝕄𝔼𝔸ℍ

π”½π•’π•Ÿπ••π•’π•π• π•§π•’π•Ÿβ€™π•Ÿπ•ͺ π•£π•šπ•§π• π••π• π•«π•’ 𝔽𝕐𝕋𝕀𝔸, π•Ÿπ•’π•Ÿπ• π•™π•’π•Ÿπ•’ π•žπ•’π•Ÿπ• π•™π•’π•Ÿπ•’ π•šπ•£π•–π•  π•₯π•£π•’π•“π• π•šπ•Ÿπ•’ π•Ÿπ•ͺ 𝕄𝔼𝔸ℍ
πŸ”Ή Amin’ny maha iray aina sy amin’ny maha-mpiray tanindrazana, dia tonga nanolotra fitaovam-panadiovana sy fidiovana ho an’ireo traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia teto Antananarivo, indrindra @ ireo toerana mandray ireo traboina ka anisany ny tao amin’ny Fokontany Ampefiloha Ambodirano izay faritra hita fa tena voa mafy, ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH) sy ny UNICEF izay notarihin’Andriamatoa 𝑹𝑨𝑴𝑨𝑡𝑨𝑹𝑰𝑽𝑢 π‘΅π’‚π’“π’š π‘Ίπ’π’π’π’‡π’π’π’Šπ’‚π’Šπ’π’‚ Sekretera Jeneraly.
πŸ”Ή Natao ho fanohanana ireo traboina miisa eo amin’ny 497 eo, izao fanomezana izao, ka ahitana fitaovana toy ny latrines provisoires miisa efatra, bidons pliables miisa 300, savony 50 baoritra, 160 sur’eau ary fitaovana fanasana tanana (DLM) miisa dimy, izay mikendry ny hanampy amin’ny fampisitrahana Rano Fisotro Madio, ny fitandrovana ny fahadiovana, ary ho fiarovana ny fahasalamana mandritra izao vanim-potoana sarotra izao.
Amin’ny alalan’ity hetsika ity, ny MEAH dia manamafy ny fandraisany andraikitra sy ny firaisankina amin’ireo traboina.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”