๐ฝ๐๐๐โ๐๐ธโโโ๐ ๐๐๐๐๐๐ โ๐ธ๐๐๐โ๐ธ๐๐ ๐โ๐ธโ๐ปโ๐โ๐ปโ๐ธ (โโโ) โ๐ ๐๐ผ๐๐๐๐ธ๐๐ธ ๐๐๐โ๐๐
Tanjonโity fivoriana ity ny hanamafisana ny fitarihana nasionaly aminโny fanatsarana ny fisitrahanโny mponina rano fisotro madio sy fanadiovana maharitra any aminโny faritra Atsimonโny Nosy.
Nankatoavinโny Komity ny Drafi-piasana sy ny Tetibola isan-taona 2026 sy fanatsarana fomba fiasa hafa izay manamafy ny finiavana hiantoka fitantanana mangarahara, fanatanterahana hentitra ary vokatra hita maso ho anโny vahoaka.
Nampatsiahivina ireo zava-bita nentinโny tetikasa Mionjo, toa ny fametrahana fantsona lehibe MandrareโSampona efa mamatsy kaominina maro. Teo koa ny fametrahana ยซ MUS ยป aminโireo faritra marefo indrindra izay manampy koa aminโny fahaleovatena ara-tsakafo.
Ny tetikasa Mionjo koa dia mitondra aminโny fanatsarana ny rafi-mpitatanana ifotony.
Mbola mitohy ary maro ireo asa ho tanterahana aminโny io taona 2026 ho avy io any aminโny faritra Androy sy Anรดsy.



