π“πŽπ€πŒπ€π’πˆππ€: π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-πŒπ€π’πŽπβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π‘π€ππŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€

πŸ”ΉNanao fitsidihana sy fanaraha-maso any amin’ny renivohi-paritry Antsinanana ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, π˜Ώπ™§ π™π˜Όπ™•π˜Όπ™π™„π™‰π˜Ώπ™π™„π˜Όπ™‰π˜Όπ™„π™‰π˜Ό π™ˆπ™žπ™£π™€π™¨π™€π™– π˜Όπ™£π™Ÿπ™–π™§π™–π™©π™žπ™–π™£π™– π™€π™‘π™žπ™–, hijery mivantana ny fandrosoan’ireo asa sy fotodrafitrasa entina hanatsarana ny fahazoan’ny mponina sy ny mpianatra rano sy fotodrafitrasa fanadiovana.
πŸ”ΉTany amin’ny EPP Antetezambaro, dia mpianatra 𝟐 πŸ“πŸŽπŸŽ no hisitraka ireo fotodrafitrasa vaovao, ahitana 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐝𝐒𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚, 𝐟𝐨𝐫𝐚𝐠𝐞 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞𝐑𝐚 πšπ¦π’π§β€™π§π² π‘πžπ«π’π§β€™π§π² 𝐦𝐚𝐬𝐨𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐚𝐫𝐲 π¬π’π§π’π›πžπ§-𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐝𝐒𝐫𝐲 πŸ“ 𝐦³. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasan’ny πŒπ„π€π‡ 𝐬𝐲 𝐧𝐲 πŽππ† 𝐀𝐂𝐓𝐄𝐃 π…π«πšπ§πœπž, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny mpianatra.
πŸ”ΉNojerena ihany koa ny fandrosoan’ny asa 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐒𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π₯𝐚𝐀𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐒𝐫𝐞𝐟𝐲 𝟏𝟐 𝐀𝐦 ao Ambohijafy, izay efa manodidina ny 6 km no vita. Ireo asa ireo dia mikendry ny hanatsarana ny fikorianan’ny rano, hiarovana ny tontolo iainana ary hanamafisana ny fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra.
πŸ”ΉHo fanamafisana ny famatsian-drano, dia paompin-drano miisa enina (06) no hapetraka, miaraka amin’ny siniben-drano 5 mΒ³, ka tombanana ho 𝟏𝟐 𝟎𝟎𝟎 ny mponina hisitraka izany. Tontosaina miaraka amin’ny π€πœπ­π’π¨π§ π‚π¨π§π­π«πž π₯𝐚 π…πšπ’π¦ ity asa ity, ho fanomezana vahaolana maharitra sy mifanaraka amin’ny filΓ n’ny mponina.
πŸ”ΉAmin’ny alalan’ny fanaraha-maso akaiky eny an-toerana, ny fandrindrana ary ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombonantoka, dia manamafy hatrany ny ezaka ataony ny MEAH mba hahazoana antoka fa mivadika ho vokatra azo tsapain-tanana sy tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka ireo tetikasa tanterahina eo amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”