Hetsika Fanadiovana Faobe

28 Marsa 2025 – Ho fiarahamientana, toy izay ataon’ireo ministera rehetra, hanehoana ny fitiavan-tanindrazana amin’izao ankatoky ny 29 Marsa izao, sy ho fiomanana amin’ireo fihaonana iraisam-pirenena maro hatao eto Madagasikara, dia nanatanteraka ny anjara hetsika fanadiovana faobe tandrifiny ihany koa ny MEAH.

Nitarika izany teny an-tsehatra Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miasa ato amin’ny ministera.

Nanamafy Andriamatoa Minisitra nandritra ny fisaorana ireo nandray anjara fa tokony ho lohalaharana hatrany ny mpiaramiasa eto anivon’ny MEAH amin’ny fientanana ho amin’ny fahadiovana, ho fitaratra ho an’ny hafa. Ho atao matetika izao hetsika izao, hikolokoloana ny toetsaina iatrehana ny andraikitra fanadiovana.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”