π…πšπ¦π’π§π­π’π§πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐭𝐞𝐧𝐞𝐧-ππ‘πšπ¦πšπ­π¨πš 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 π‘πšπ§π¨, 𝐧𝐲 π…πšπ§πšππ’π¨π―πšπ§πš 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 π…π’ππ’π¨π―πšπ§πš 𝐭𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π²π€π§π­πžπ§π’π¦π’πžπ«πšπ¦π©π’π«πžπ§πžπ§πš

π…πšπ¦π’π§π­π’π§πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐭𝐞𝐧𝐞𝐧-ππ‘πšπ¦πšπ­π¨πš 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 π‘πšπ§π¨, 𝐧𝐲 π…πšπ§πšππ’π¨π―πšπ§πš 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 π…π’ππ’π¨π―πšπ§πš 𝐭𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π²π€π§π­πžπ§π’π¦π’πžπ«πšπ¦π©π’π«πžπ§πžπ§πš
πŸ”ΉNandritra ny fivoriana teo anivon’ny Antenimierampirenena, RamatoaMinisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana π˜Ώπ™§ π™π˜Όπ™•π˜Όπ™π™„π™‰π˜Ώπ™π™„π˜Όπ™‰π™„π˜Όπ™„π™‰π˜Όπ™ˆπ™žπ™£π™€π™¨π™€π™– π˜Όπ™£π™Ÿπ™–π™§π™–π™©π™žπ™–π™£π™– π™€π™‘π™žπ™–, dia nanolotra ny zava-bita sy ny fandrosoan’ny asa tanterahin’ny ministera eo amin’ny sehatry ny rano, ny fanadiovana sy nyfidiovana.
πŸ”ΉNambarany fa fotodrafitrasa famatsiandrano miisa πŸ”πŸ”πŸ– no naorina synohavaozina manerana ny 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 πŸπŸ— niaraka, ka nahafahan’ny olonamanodidina ny πŸ•πŸŽπŸŽ 𝟎𝟎𝟎 nisitraka rano fisotro madio.
πŸ”ΉAnisan’ireo zava-bita nasongadina ny fanitarana sy fanatsarana ny tobim-panadiovan-drano eny Mandroseza, izay efa nampitombo famokaran-drano etoAntananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanatanterahana ny tetikasaJIRAMA Water III sy ny PAAEP, izay manamafy ny famatsian-drano ho an’ny mponina sy manatsara ny fotodrafitrasa efa misy.
πŸ”ΉTao amin’ny Faritra Atsimo kosa dia nanatanteraka fanamboarana na fanarenana 𝐟𝐨𝐫𝐚𝐠𝐞 𝐦𝐒𝐒𝐬𝐚 𝟏𝟏𝟏, raha toa koa ka hahazo tombontsoa ny mponinahafa maherin’ny πŸ‘πŸ‘ πŸ“πŸŽπŸŽ amin’ny fametrahana fantson-drano mirefy 28 km mampitohy an’i π€π§ππ«πšπ§π π¨πš 𝐬𝐲 π€π¦π›π¨π―π¨π¦π›πž.
πŸ”ΉNambarany ihany koa fa nahazo famatsiam-bola fanampiny mitentina 180 tapitrisa dolara ny tetikasa PAAEP.
πŸ”ΉNandritra ny famaliana fanontaniana dia nohazavain-dRamatoa Minisitra ny fandrosoan’ireo tetikasa famatsian-drano sy fanadiovana any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
πŸ”ΉNambarany fa tafiditra ao anatin’ny PIP 2026 ireo tetikasa stratejika maromaro, anisan’izany ny famatsian-drano any Mananara Avaratra sy Mandoto. Tao amin’ny Faritra Vakinankaratra dia nasongadina ireo tetikasa tanterahina miaraka amin’ny PAAEP sy ny JIRAMA Water III, izay mikendry ny hanatsara ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio.
πŸ”ΉEo amin’ny sehatry ny fanadiovana, nohazavain-dRamatoa Minisitra ny fandrosoan’ny tetikasa PIAA 2 sy PRODUIR eto Antananarivo, izay mifantoka amin’ny fanadiovana ny lakandrano sy ny faritra iva ary ny fanatsarana ny tontolo iainana an-tanΓ n-dehibe ho fisorohana ny tondra-drano.
πŸ”ΉNasongadiny ihany koa ny hetsika fanadiovana tanterahina amin’ny alalan’ny Fifaninanana Fokontany Madio sy ireo tetikasam-panjakana fanatsarana ny fanadiovana , ary nanamafisany ny fanohizan’ny ministera ny ezaka hampitombo ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio sy hanatsara ny tolotra fanadiovana ary fidiovana manerana an’i Madagasikara

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”