π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€πŒππ„ π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πˆππƒπ‘π€ππ€ π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π’π„π‡π€π“π‘π˜ ππ˜π‘π€ππŽ, 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π€π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπƒπˆπŽπ•π€ππ€

π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€πŒππ„ π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πˆππƒπ‘π€ππ€ π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π’π„π‡π€π“π‘π˜ ππ˜π‘π€ππŽ, 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π€π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπƒπˆπŽπ•π€ππ€
πŸ”ΉMitaky fandrindrana matanjaka sy fiaraha-mientana mahomby ny fanatrarana ny tanjona nasionaly amin’ny sehatry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (EAH/WASH). Ho fanamafisana izany indrindra no nanatanterahan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, anio πŸπŸ– 𝐦𝐞𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ”, ny Fivoriambe Nasionalin’ny fandrindrana ireo mpiara-miombonantoka eo amin’ny sehatra EAH/WASH, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, π˜Ώπ™§ π™π˜Όπ™•π˜Όπ™π™„π™‰π˜Ώπ™π™„π˜Όπ™‰π™„π˜Όπ™„π™‰π˜Ό π™ˆπ™žπ™£π™€π™¨π™€π™– π˜Όπ™£π™Ÿπ™–π™§π™–π™©π™žπ™–π™£π™– π™€π™‘π™žπ™–, tao Ivandry.
πŸ”ΉSehatra stratejika ho an’ny fifanakalozan-kevitra sy fandrindrana ireo laharam-pahamehana nasionaly ity fihaonana ity, ahafahan’ireo 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐒𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐩𝐒𝐚𝐫𝐚-π¦π’π¨π¦π›π¨π§πšπ§π­π¨π€πš 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐞𝐀𝐧𝐒𝐀𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨π₯𝐚, 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐯𝐨π₯𝐚, πŸπ’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš, 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐨𝐧𝐒𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐞𝐑𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐒𝐚𝐧𝐀𝐒𝐧𝐚 mandrindra bebe kokoa ny fandraisan’anjarany amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara, fa indrindra any amin’ireo faritra marefo.
Anisany ifantohan’ny dinika mandritra ity fivoriambe ity ny fanamafisana ny rafitra fandrindrana nasionaly, ny famantarana ireo tetikasa stratejika mila tohana ara-bola, ary ny fampifanarahana ireo fandaharan’asa amin’ny Politika Nasionaly momba ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (PNEAH) sy ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R).
πŸ”ΉMarihina ihany koa fa natomboka tamin’ity fihaonana nasionaly ity ny fanomanana ny Paikady sy Drafitra Nasionaly EAH 2026-2030, ny dingana fahatelo amin’ny TrackFin, ary ny WASH Compact 2026-2030, rafitra stratejika hanamafisana ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana maharitra.
πŸ”ΉManamafy indray ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana fa ny fiaraha-mientana sy ny fandrindrana mahomby no antoky ny fanatrarana ny tanjona : rano fisotro madio sy tolotra EAH maharitra ho an’ny Malagasy rehetra.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”