π…πˆπ€π‘π€π‡π€-πŒπˆπ€π’π€ π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŒπ€πƒπ€π†π€π’πˆπŠπ€π‘π€ π’π˜ π„π†π˜ππ“π€

π…πˆπ€π‘π€π‡π€-πŒπˆπ€π’π€ π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŒπ€πƒπ€π†π€π’πˆπŠπ€π‘π€ π’π˜ π„π†π˜ππ“π€
πŸ”ΉTaorian’ny fanaovan-tsonia ny Memorandum of Understanding (MoU) teo amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH) sy ny Ministeran’ny Loharanon-drano sy ny Fanondrahana ao amin’ny Repoblika Arabo Ejipta, dia miroso amin’ny dingana fanatanterahana ny fiaraha-miasa ny roa tonta.
πŸ”ΉAmin’izao dingana izao dia misy ny fifampidinihana ara-teknika sy ny fandrindrana ireo laharam-pahamehana, izay tarihin-dRamatoa Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana π˜Ώπ™§ π™π˜Όπ™•π˜Όπ™π™„π™‰π˜Ώπ™π™„π˜Όπ™‰π™„π˜Όπ™„π™‰π˜Ό π™ˆπ™žπ™£π™€π™¨π™€π™– π˜Όπ™£π™Ÿπ™–π™§π™–π™©π™žπ™–π™£π™– π™€π™‘π™žπ™–, izay hiarahana manatanteraka, mba hampiharana amin’ny fomba mahomby ireo fanoloran-tena voarakitra ao anatin’ny MoU. Tafiditra ao anatin’izany ny famolavolana ny drafi-piasana iombonana izay hitari-dalana ny fiaraha-miasa mandritra ny dimy (05) taona.
πŸ”ΉIty fiaraha-miasa ity dia hifantoka indrindra amin’ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ary ny fampiroboroboana ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Manamafy hatrany ny fifandraisana ara-teknika sy ara-pirahalahiana eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika Arabo Ejipta izany, sady manampy amin’ny fanatrarana ny tanjona iraisana ho amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”