π…π€ππ€πŒπ€π…πˆπ’π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ€π‘π€π‡π€-πŒπˆπ€π’π€ π‡πŽ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π…πˆπ’πˆπ“π‘π€π‡π€ππ€ π‘π€ππŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π’π˜ π…πˆπƒπˆπŽπ•π€ππ€

πŸ”ΉNy πŸπŸ“ π’πžπ©π­πšπ¦π›π«πš πŸπŸŽπŸπŸ”, dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana π˜Ώπ™§ π™π˜Όπ™•π˜Όπ™π™„π™‰π˜Ώπ™π™„π˜Όπ™‰π™„π˜Όπ™„π™‰π˜Ό π™ˆπ™žπ™£π™€π™¨π™€π™– π˜Όπ™£π™Ÿπ™–π™§π™–π™©π™žπ™–π™£π™– π™€π™‘π™žπ™–, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny UNICEF.
πŸ”ΉNifantoka tamin’ny fanatsarana ny fahazoan’ny mponina, indrindra ny ankizy sy ny fianakaviana, ny rano madio, ny fidiovana ary ny fahadiovana ny fifanakalozan-kevitra.
πŸ”ΉAo anatin’izany, πŸ‘πŸπŸŽ ny rafitra Rano Multi-Usages (MUS) efa napetraka tao amin’ny faritra 3 sy distrika 13, ka πŸ‘πŸ”πŸ“ πŸ“πŸ•πŸ— ny olona nahazo tombontsoa. Ireo MUS ireo dia natao hanamora ny fahazoana rano sy hanohanana ny filΓ n’ny mponina amin’ny fampiasana maro samihafa.
πŸ”ΉNiresahana ihany koa ny π“πžπ­π’π€πšπ¬πš πŒπˆπŽππ‰πŽ, indrindra ny vokatra azo sy ny fanohizana ireo ezaka efa natomboka. Noresahina ny famatsiam-bola fanampiny (financement additionnel) izay hanamafisana manokana ny volavolan’asa momba ny rano any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.
πŸ”ΉNifantoka tamin’ny fanamafisana ny rafitra fitantanana ireo tolotra rano ihany koa ny dinika. Anisan’izany ny resaka contractualisation sy ny andraikitry ny gestionnaires, ary ny tarification mba hiantohana ny fitantanana mahomby sy maharitra ireo fotodrafitrasa. Zava-dehibe izany mba hahafahana mitazona ny kalitao sy ny fahazoan’ny mponina ny tolotra rano.
πŸ”ΉNy fifanakalozan-kevitra dia maneho ny fahavononan’ny MEAH sy ireo mpiara-miombonantoka hanamafy ny fiaraha-miasa sy hampitombo ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana ary Fahadiovana.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ„π€π‡ – π–π€π“π„π‘π€πˆπƒ : πŒπˆπ€π‘π€-πŒπ€ππ€πŒπ€π…π˜ 𝐍𝐘 π„π™π€πŠπ€ π‡πŽ π€πβ€™ππ˜ 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀 π‘π€ππŽ, π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π’π˜ π…πˆπƒπˆπŽπ•π€ππ€

π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ π‡πŽ π€πβ€™ππ˜ π€π“π’πˆπŒπŽ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€πƒπˆπ€π•π€ππ€ π•π€π‡π€πŽπ‹π€ππ€ π•π€πŽπ•π€πŽ

π…π€πŒπ€π‘π€ππ€ππ€ 𝐍𝐘 π“π„π“πˆπŠπ€π’π€ 𝐆𝐄𝐒𝐃𝐀 : π…π€ππŽπ‡πˆπ™π€ππ€ 𝐍𝐘 π„π™π€πŠπ€ π‡πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πˆπ“π€ππ“π€ππ€ππ€ πŒπ€π‡π€π‘πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 π…π€πŠπŽ π„π“πŽ π€ππ“π€ππ€ππ€π‘πˆπ•πŽ