๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐‘๐€๐๐Ž๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ ๐€๐Ž ๐€๐Œ๐๐Ž๐•๐Ž๐Œ๐๐„: ๐๐€๐๐Ž๐Œ๐๐Ž๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐’๐ˆ๐‘๐ˆ๐‡๐€๐๐€ ๐€๐‘๐€-๐“๐„๐Š๐๐ˆ๐Š๐€

Ho fanamafisana sy fanatsarana hatrany ny fahazoanโ€™ny mponina rano fisotro madio, dia nanomboka ny ๐Ÿ๐Ÿ– ๐€๐จ๐ ๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” ny fitsirihana ara-teknika ny toerana hametrahana ny ozinina hamadihana ny ranomasina ho rano fisotro madio.

Tetikasa lehibe entinโ€™ny ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ž๐ซ๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐‘๐š๐ง๐จ, ๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ง๐š๐๐ข๐จ๐ฏ๐š๐ง๐š ๐š๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐๐ข๐จ๐ฏ๐š๐ง๐š (๐Œ๐„๐€๐‡) izy ity, ary tanterahina miaraka aminโ€™ny ๐€๐ฎ๐ซ๐ž๐š๐ญ๐ž ๐‘๐ž๐ฌ๐ฌ๐จ๐ฎ๐ซ๐œ๐ž๐ฌ, araka ny fifanarahana nosoniavina teny Ambotsirohitra ny ๐ŸŽ๐Ÿ” ๐€๐จ๐ ๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”.

Ao anatinโ€™ity dingana fanomanana ity dia ๐Ÿ๐จ๐ซ๐š๐ ๐ž ๐ฆ๐ข๐ข๐ฌ๐š ๐ฏ๐š๐ฅ๐จ (๐ŸŽ๐Ÿ–), izay mahatratra 20 metatra eo ho eo ny halaliny, no kasaina hatao mba hahafahana mandinika sy mamantatra ny toetra ara-teknika sy ara-jeolojikanโ€™ny tany eo aminโ€™ny toerana hanorenana ny ozinina.

Zava-dehibe ity fitsirihana ity satria hahafahana mahazo ireo angon-drakitra ara-teknika ilaina aminโ€™ny famolavolana sy fanatanterahana ny tetikasa, ary hahafahana miantoka fa mifanaraka aminโ€™ny fepetra takianโ€™ny fotodrafitrasa ny toerana voafidy.

Ny famadihana ny ranomasina ho rano fisotro madio dia anisanโ€™ireo vahaolana entinโ€™ny fanjakana hampitomboana sy hampifamenoana ireo loharanon-drano, ka hanatsarana ny famatsian-drano sy hiantohana bebe kokoa ny fisitrahanโ€™ny mponina rano fisotro madio.

 

ร€ lire รฉgalement

๐Œ๐€๐‡๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ : ๐๐Ž๐‰๐„๐‘๐„๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐โ€™๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐๐ˆ๐€๐€๐Ÿ

๐•๐€๐Ž๐•๐€๐Ž๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€ : ๐Œ๐ˆ๐“๐Ž๐Œ๐๐Ž ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐™๐Ž๐€๐๐€ ๐‘๐€๐๐Ž ๐…๐ˆ๐’๐Ž๐“๐‘๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž

๐€๐Š๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐†๐€๐๐€๐-๐“๐’๐€๐ˆ๐๐€ – ๐Ž๐Š๐“๐Ž๐๐‘๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”