π€ππŠπ€π™πŽπ€ππŽ 𝐒𝐔𝐃: 𝟏𝟎𝟎𝟎𝟎 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐑𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨

π€ππŠπ€π™πŽπ€ππŽ 𝐒𝐔𝐃: 𝟏𝟎𝟎𝟎𝟎 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐑𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨
πŸ”ΉTafapetraka soa aman-tsara ao amin’ny Distrikan’ny Ankazoabo Sud, Faritra Atsimo Andrefana, ny rafitra famatsian-drano maro fampiasa na ny SystΓ¨me Multi-Usage (MUS) miisa 13 ao amin’ny Distrikan’ny Ankazoabo izay sitrahan’ny mponina miisa 𝟏𝟎𝟎𝟎𝟎.
πŸ”ΉNatolotry ny Filohan’ny Fanavaozana, Ny Kolonely π‘π€ππƒπ‘πˆπ€ππˆπ‘πˆππ€ 𝐌𝐒𝐜𝐑𝐚ëπ₯ sy ny Ramatoa vadiny, anio 18 Aprily 2026, tao Ankilimasy I sy II, ao amin’ny Kaominina Ankazoabo, ny MUS miisa, notronin’ny Filohan’Antenimierampirenena sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vitsivitsy, isan’izany ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana 𝐃𝐫 π‘π€π™π€π…πˆππƒπ‘πˆπ€ππˆπ€πˆππ€ 𝐌𝐒𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 π€π§π£πšπ«πšπ­π’πšπ§πš 𝐄π₯𝐒𝐚.
πŸ”ΉFotodrafitrasa maoderina sy maharitra no natsangana, izay ahitana forage misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, sinibendrano 15 mΒ³, tambazotran-drano mivelatra, kioska β€œSmart Tap”, ary rafitra fanondrahana ho an’ny fambolena.
πŸ”ΉMponina maherin’ny πŸπŸ•πŸŽπŸŽ no misitraka ireo fotodrafitrasa ireo. Tsy rano fisotro madio ihany no azo, fa sehatra iray manohana ny fiveloman’ny mponina ihany koa, amin’ny alalan’ny Β« potager Β» mirefy 500 mΒ² izay manatsara ny sakafo sy mampitombo ny fidiram-bola. Marihana fa 168 ireo MUS izay apetraka ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay iarahana amin’ny tetikasa MIONJO, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, ary niarahana nanatontosa tamin’ny Unicef Madagascar.
πŸ”ΉIty tetikasa ity dia manaporofo fa ny fananganana fotodrafitrasa rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana dia mitondra fiovana mivaingana sy maharitra eo amin’ny fiainan’ny vahoaka.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”