π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€ππ€ β€œπ…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ πŒπ€πƒπˆπŽβ€ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŸ”πŸ• 𝐇𝐀 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€ππ€ β€œπ…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ πŒπ€πƒπˆπŽβ€ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŸ”πŸ• 𝐇𝐀 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀
πŸ”ΉAo anatin’ny fifaninanana π…π¨π€π¨π§π­πšπ§π² 𝐌𝐚𝐝𝐒𝐨, dia mitohy ny hetsika fanentanana momba ny fanadiovana sy ny fidiovana. Isan’ireo Fokontany voafantina hanohy ny dingana manaraka ny Fokontany πŸ”πŸ• π‡πš π€π―πšπ«πšπ­π«πš π€π§ππ«πžπŸπšπ§πš, ka notanterahina ny 23 mey 2026 ny hetsika fanadiovana sy fanentanana teny an-toerana.
πŸ”ΉNotarihin’Andriamatoa π‘π€π…πˆπƒπˆπŒπ€ππ€ππ“π’πŽπ€ π“π¨π£π¨πšπ§ππ«π² π“π’πšπ§πš, Tale Jeneralin’ny Fanadiovana sy ny Fidiovana eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ny hetsika. Nanotrona izany ihany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriboritany voalohany Andriamatoa π‘π€ππƒπ‘πˆπ€πŒπˆπ’π€ππƒπ‘π€π“π‘π€ 𝐁𝐚𝐫𝐭𝐑éπ₯é𝐦𝐲, sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny mpiara-miombonantoka.
πŸ”ΉSkoto miisa 200 no nandray anjara tamin’ny fanentanana isan-tokantrano, nifantoka tamin’ny fanavahana ny fako sy ny fitandroana ny fahadiovana eny amin’ny manodidina. Hetsika izay manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana sy ny fidiovana ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo iainana.
πŸ”ΉNy Sabotsy 30 mey 2026 ho avy izao indray no hanohizana ny fanentanana sy ny fanadiovana ka ny ao amin’ny boriboritany faha 4 indray no voafantina amin’izany.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”