Ny Sabotsy 3 Mey 2025, no nidina nijery ny fizotry ny asa fanavaozana ny fotodrafitrasa famokarana rano fisotro madio ny Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka taminβny orinasa mpanatanteraka ny asa sy ny ekipa teknikanβny MEAH.
Hita tamin’izany fa mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny asa, efa mihoatra ny 80% ny vita, ary inoana fa ho tanteraka ara-potoana araka ny tetiandro efa nifampiresahana. Raha ny vinavina dia alohan’ny fetim-pirenena no tokony ho vita ny « essai de mise en eauΒ Β» an’ireto fotodrafitrasa ireto.
Ankoatra ny fanarenana ireto fotodrafitrasa ireto dia efa misy ihany koa ny fiaraha-miasa voasonia, izay iarahan’ny Kaominina Ambonivohitra Tsiroanomandidy sy ny WaterAid Madagasikara hanatsarana ny tambazotra fizarana rano sy ny fitantanana, izay tafiditra ao anatin’ny stratejian’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny rano fisotro madio aty amin’ny faritra Bongolava.
Marihina fa hatrany amin’ny 1.700 mΒ³ isanβandro no vokatra andrasana aminβity dingana voalohany ity, izay hoenti-manome rano fisotro madio ho anβny olona miisa 66.248.












